SocialTsidika

Ambohitrarahaba : Lehilahy iray nisy nanendaka

Lehilahy iray naratra no hita teny amin’ny tsenan’Ambohitrarahaba omaly maraina. Tsy fantatra izay havany hatramin’izao izay antsoina hanantona ny Polisy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

« Nisy nanendaka ity lehilahy ity. Antsoina ny havany mba handray an-tanana ny momba azy fa tena mampalahelo ny mijery azy. Tsy nojerena fotsiny izy fa nomena fitsaboana sahaza » hoy ny avy ao amin’ny Polisy Kaominaly. « Mila mitandrina hatrany isika. Lahitokana ny aina. Fadio ny mandeha ami’nny alina » hoy ny quartier mobile ao Ambohitrarahaba.

Mila manatevina ny mpitandro filaminana ho amin’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ny vahoaka, araka ny tenin’ny Sekretera Jeneraly misahana ny zandarimariam-pirenena. Tompon’andraikitra ny rehetra ary tokony handray andraikitra tandrify azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire