ActualitésTatitra

Taïwan : Mampiady an’i Chine sy ny tandrefana

Taïwan dia antsoina ihany koa hoe « République de Chine » na « Taipei chinois ». MIvelatra amin’ny nosy 168 ny faritanin’io fanjakana demokratika ao Asia atsinanana ka tafiditra ao anatiny i Taïwan.

Ny « Chine Impériale » no nitondra ny nosy Taïwan teo anelanelan’ny taona 1683 hatramin’ny 1895. Teo amban’ny fahefan’ny Qing izy tamin’izany. Natolotra ho an’i Japon kosa izy taorian’ny ady teo amin’i Chine sy Japon tamin’ny alalan’ny « traité de Shimonoseki » tamin’ny taona 1895.

I Japon noho izany tena nampandroso an’i Taïwan tamin’ny alalan’ny fotodrafitrasa maro naoriny tao aminy. Niverina tamin’i Chine kosa izy taorian’ny faharesehan’i Japon tamin’ny ady lehibe faharoa ary i Chine dia mamaritra azy ho governemanta tokana manam-pahefana amin’ny faritanin’i Taïwan.

Firenena mandroso i Taïwan, faha 15 izy eo amin’ny sehatry ny fananana harinkarena faobe ambony indrindra ary faha 22 eo amin’ny fananana rafitra ara-toekarena matanjaka indrindra eran-tany.

Laisser un commentaire