ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely : Manomboka ny fanamboaran-dalana ao Ambohimahitsy

Niroso tamin’ny fanamboarana ny lalana ao Ambohimahitsy, ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely omaly. Araka ny voalaza, efa ela ihany koa ireo mponina no nitaraina mahakasika ny faharatsian’ity lalana ity sy ny tokony hanamboarana izany.

“Mitohy hatrany ny asa sy ny ezaka ataon’ny kaominina amin’ireo asa fanamboaran-dalana. Manomboka ihany koa ny fanamboarana ny lalana eto Ambohimahitsy. Ao anatin’izany no itondrana fanavaozana ireo tatatra lalan-drano efa maty ka amboarina tanteraka” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Nivaly ny fangatahan’ny vahoaka mpampiasa ity lalana ity. Tena efa ela no nanaovana fanairana ny tomponandraikitra mahakasika ity lalana izay tena hita fa ratsy ary miteraka fitohanana ety an-toerana. Hisaorana ny tomponandraikitra ary hirariana mba asa maharitra no atao eto fa tsy mandalo na vonjy maika ihany” hoy i Anja, mponina ao Ambohimangakely.

Zava-dehibe ny fahavitan’ny fanamboarana ireo lalana simba ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. izay ihany koa no hanaovan’ny tomponandraikitra ezaka fanamboarana ireo lalana izay tena hita simba tanteraka. Hitohy hatrany moa izany fanamboaran-dalana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire