Royaume-Uni : Zazalahy kely 6 taona maty nampijalian’ny rainy sy ny renikeliny
Vao 6 taona monja i Arthur Labinjo-Hughes, miara-monina amin’ny rainy Thomas Hughes, 29 taona izy sy ny renikeliny Emma Tustin, 32 taona izy. Nampanarahin’izy ireo fanabeazana nampihorohoro izy raha ny fanazavana. Ataon’ireto ray aman-dreniny ireto mijoro 14 ora tsy misotro rano ary tsy misakafo ankoatra ny sira izy rehefa natao ny fanadiadiana ary vitan’izy ireo mihitsy ny tsy mampatory sy tsy mamela azy hisolo akanjo.Tsy nahatsiaro tena intsony izy ary nentina tany amin’ny hopitaly. Natsikaritra ireo mpitsabo fa voavely teo amin’ny lohany ny zaza, feno mangana ny vatany ary niaharana fanampoizinana tamin’ny sira izy. Maty ny ampitso nitondrana azy tany amin’ny hopitaly i Arthur. Efa nitory natetika ny renibeny raha ny fanazavana saingy tsy nisy niraharaha. Niaiky heloka kosa ny renikeliny raha nandà izany hatrany ny rainy.
