ActualitésTatitra

Chine : Xuankongsi, toerana amoron-tevana

Amoron-tevana ara-bakiteny ny monastera eny amin’ny havoana Xuan kong. Any amin’ny 65 km any atsimo atsinanan’i Datong, distrikan’i xian de Hunyuan, faritanin’i Shanxi no misy azy.

Toa miorina ambony andry hazo mena mitsangana io monastera io raha topaza-maso. Raha ny marina nefa dia hazonina andry mipetraka mitsivalana milentika any anatin’ny vato izany. Fanomezana endrika tsara ho an’ny trano fotsiny noho izany ireo andry hita ety ivelany ary manamafy ny fatokisana ny amin’ny fitoeran’ny trano eny amoron-tevana.

Tempoly bouddhiste sy taoïste io toerana io. Tamin’ny taona 491 izy no niorina ary niniana natao teny amin’ny havoana mba niarovana tamin’ny fiakaran’ny renirano, 50 metatra ao ambanin’ny monastera.

Laisser un commentaire