ActualitésTsidika

Mbola ao anatin’ny fikarohana an’i Jerison ilay jiolahy raindahiny hatrany ireo manam-pahefana any amin’ny faritra Sofia

Maro ireo tanàna lasibatry ny fanafihan-dahalo tany amin’ireo faritra ivelan’ny renivohitra. Anisany nahitana fahalasanan’omby maro indrindra ny nitranga tao amin’ny faritra Sofia izay sady anrahina fandoroana trano. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro ny filaminana sy mpampandry tany any an-toerana no nahafantarana fa anisany atidoha nikotrika ireny fanafihana ireny ilay jiolahy raindahiny antsoina hoe « Jerison ». Tsy vitsy ireo namany no efa tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana any an-toerana hatramin’ny nisian’ny fanafihana goavana tany amin’io faritra io. Ankoatra ireo dahalo efa tratra ireo ihany koa, maro tamin’ireo omby no efa tafaverina saomatsara any amin’ny tompony amin’izao fotoana. Ny mikasika an’i Jerison kosa anefa, mbola ao anatin’ny fikarohana tanteraka ireo mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana ary manohy hatrany ny savahao amin’ny famongorana ireo olon-dratsy. Nilaza ireo manam-pahefana any an-toerana ary fa hanolotra lelavola mitentina 2 000 000ariary izay manome loharanom-baovao mikasika ity jiolahy raindahiny mampiaiky ireo mponina nay an-toerana ity. Nanambara ihany koa ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana fa hamafisina ny fampandrian-tany sy fiambenana amin’izao fiomanana ny fankalazana ny feim-pirenena izao.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire