SocialTsidika

Fiteny Malagasy : Inona no niavian’ny hoe « zaodahy » na « zaobavy » ? 

Betsaka ireo fiteny Malagasy izay tsy fantatry ny tanora akory ny nihaviany, kanefa dia ao am-bavany foana. Vitsy amin’ny tanora ankehitriny ny mahafantatra ny hevitr’izany « zaotra » izany.

Ny zaotra no nahazoana ny teny hoe « zaodahy » na « zaobavy », izany hoe « zaotra lahy » na « zaotra vavy ». Ny « zaotra » dia iantsoana ny vadin’ny mpiray tampo amin’ny tena, na ihany koa ny mpiray tampo amin’ny vady. Misy ihany koa ireo miantso naotra na ranaotra. Fanovam-peo sy ny fanatsaram-peo no nanaovana izany.

Tsara foana ny mamantatra ny tenindrazana mba ho tanteraka ilay fiteny hoe « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa ihany kao feheziko ». Mbola tafiditra rahateo ao anatin’ny volan’ny teny Malagasy isika. 

Herimalala Ratsimbazafy

Laisser un commentaire