Alasora : Zokiolona 1 052 no nisitraka solombodiakoho
Miisa 1052 ireo zokiolona sy beantitra nisitraka ny solombodiakoho avy amin’ny kaominina Alasora. Vary 5 kg isan’olona no nomena azy ireo.
« Ny fetin’ny Asaramanitra toy izao no fahatsiarovana sy fanomezan-kasina ireo zokiolona sy beantitra. Zokiolona marobe no nisitraka izany teto amin’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Mankasitraka tamin’ny vitanareo. Fantatrareo tokoa fa olona marefo izahay ka tsy nanadino ianareo. Handroso hasina hatrany anie ity tananàntsika ity » hoy ny zokiolona iray nisitraka ny tolotra.
Tsy voatery ny mpitondra foana no hizara ho an’ireo zokiolona. Eo indrindra isika mpiray tanindrazana, izay tokony hifanohana volaohany, mba ho samy lasa alavitra.
Hasina Rasamimanana
