Fanatanjahantena : Ny 6 ka hatramin’ny 9 janoary izao ny fitilina ireo tanora mety handrafitra ny Barea any aoriana
Hisy ny « sélection régionales U19 » manerana ny Nosy, ahafahana mitily ireo tanora izay mety handrafitra ny Barea rehefa aoriana kely ao. Tanjona lehibe izany satria mila omanina sahady ny hoavin’ny baolina kitra Malagasy. Hanomboka ny 6 janoary izao no hanomboka izay fitiliana isam-paritra izany.
« Hizara 3 ny fomba fitiliana izay hatao. Vao manomboka amin’ny phase voalohany dia efa jerena sahady hoe iza no mpilalao ho tazomina. Miakatra araka ny phase ny lentan’ny fifaninanana ka izay tena mahay any amin’ny phase fahatelo no mijanona ho Barea amin’ny ho avy », hoy ny DTN ao amin’nny FMF.
« Ireo tanora rehetra latsaky ny 19 taona no antsoina hiatrika izany fifaninanana izany. Ireo izay tena manana fahaiza-manao anefa no tena horaisina satria izy ireo no mety hiaro ny voninahi-pirenena rehefa aoriana kely ao. Teknisianina maro no miara-misalahy amin’ny fisafidianana ireo tanora ireo ary hiantso ireo mpilalao avy any ivelany ihany koa hahafahana misafidy araka ny tokony ho izy ireo tanora ireo », hoy hatrany ny avy ao amin’ny FMF.
« Tanjoko ny ho lasa mpanao baolina matihanina sy mba halaza. Betsaka loatra anefa ireo olana sedraina raha te hiditra ao anatin’izany, ohatra ny kolikoly, ny foto-drafitr’asa sy ny maro hafa. Hiatrika ity fifantenana ity aho satria hitako fa manana talenta afaka haroso aho sady afaka ihany koa hanatratra ny tanjoko », hoy i Lionel, tanora mpankafy baolina kitra Malagasy.
Ankoatra ny lehilahy izay erfa betsaka mpisehatra dia hampiroboroboana ihany koa ankehitriny ireo vehivavy izay maniry ny hisehatra amin’izany filalaovana baolina kitra izany. Efa nisy ny fifantenana azy ireo ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao. Ireo tanora ireo no ho avin’izany baolina kitra izany ka aza menatra ny hampiseho ny talenta hahafahanao mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’ny Madagasikara.
Miora Raharisolo
