Notokanana ny « Détachement Spécial Sécurité » tao amin’ny kaominina Ambalakindresy
Tonga tao Ambalakindresy, Distrikan’Ambohimasoa i Andry Rajoelina, nanatanteraka ny fitokanana ny « détachement special sécurité » na DDS. Tamin’ny alalan’io fitokanana io no nilazana tamin’ny fomba ofisialy ny ho fandriampahalemana ao amin’io faritra io manomboka izao. Vokatr’izany mantsy, mpitandro filaminana miisa 25 arahina fitaovana manara-penitra no noraisin’ity kaominina ity.
Raha tsiahivina, faritra mena amin’ny asan-dahalo sy ny fanakanana no nahalalana an’ny kaominina Ambalakindresy hatrizay. Handry fahalemana amin’izay kosa anefa ny distrikan’Ambohimasoa sy ny manodidina aorian’ity fitokanana natao ity. Ankoatra ireo fitaovana natolotra ireo, maro ny EPP manara-penitra an-dalam-pahavitana, hopitaly an-dalam-panamboarana ihany izay ahitana fitaovana ara-pitsaboana raitra sy maoderina. Hahazo kianja manara-penitra ihany koa ny distrikan’Ambohimasoa raha ny fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, miaraka amin’ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-25.
« Maro ny endrika tsy fandriampahalemana miseho eto amin’ity distrika ity ary mijaly mihitsy izahay mponina ato. Misaotra lehibe ny filoham-pirenena anefa izahay tsy nitaza-potsiny fa nandray an-tànana ny kaominina sy Distrika misy anay » hoy i Rondro, mponina ao Ambalakindresy. « Mbola azo lazaina ho tsy ampy ihany raha ny isan’ny miaramila natolotra, mbola tsy mampandry fahalemana ity distrika misy anay ity izany. Mahery mantsy ny asan-dahalo aty amoin’ity faritra ity ary tsy azo hisangiana » ho kosa i Gilbert, ray aman-dreny any an-toerana. Nanamafy hatrany kosa anefa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena fa « mbola tsy ampy ny isan’ny miaramila raha mitaha amin’ny zava-misy iainantsika ». Ilaina ary tsy tokony ho afa-misaraka eo amin’ny fiainantsika andavanandro izany teny fandriampahalemana izany.
Arak’izany, tsy misy ny atao hoe tonga lafatra ary izany indrindra no mbola tsy maha ampy ny isan’ireo mpitandro filaminana irahina miasa amin’ny toerana iray. Kanefa tokony andraisana fepetra ihany izany tsy fahampian’ny mpitandro filaminana izany. Raha izay ary, mety hampandry fahalemana tanteraka ity distrika ity ve ny fanolorana ireo fitaovana maro sy miaramila ireo ?
Miangaly Rasoamihajamanana
