Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena fahafito
Fiara niainga tao Fianarantsoa vao maraina, izay nikasa hihazo an’i Toliara ity tra-doza ity. Tao Antsahasoa Mahazoarivo, kaominina Ankaramena distrikan’Ambalavao no nitranga ny loza ny marain’ny alatsinainy 11 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora maraina. Nilatsaka tany ambany tetezana ity fiara ity ka mpandeha manodidina ny folo no fantatra maty tsy tsa-drano vokatr’izany, nisy ireo velona soa aman-tsara na dia mafy azy ny fitrangan’ny loza.
Mateti-pitranaga ny lozam-pifamoivoizana nadritra ny roa volana monja. Anisan’ny mitàna taha ambony amin’izany ny lalam-pirenena fahafito raha ny antontan’isa. Ny volana septambra lasa teo no nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, izay namoizana ain’ny mpandeha maro iny lalam-pirenen iny. Nohamafisina andro vitsy taorian’izany ny fanajana ireo fepetra sy ny fanaraha-maso ataon’ireo mpandrindra ny fifamoivoizan.
« Matetika ny mpamily mandrakariva no mahazo tsiny rehefa nisy loza toy izao, mila fiaraha-mientan’ny mpampiasa lalana rehetra raha tiana ny handresy izany, ka tompon’andraikitra voalohany amin’ny ny avy eo amin’ny Minisiteran’ny fifamoivoizana » hoy i Hery, mpamily fiara zotra regionaly. « Ny mpamily no tsy mitandrina hany ka ny havanay no maty natao sorona vokatr’izany. Tsy misy antony tokony handehanana mafy » hoy i Bary, olona namoy fianakana nadritra ny lozam-pifamoivoizana tany Ambohimahaso. « Tsy natao ho anareo mpamily irery ny lalana, noho izany tsy ianareo irery no mampiasa azy. Takiana ary voalazan’ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fampiasana mpamily mpanampy indrindra ho an’ireo zotra nasionaly » hoy ny mpitandro filaminana.
« Miantso ireo tompon’andraikitra isan’antokony hampiatra tsy misy hatak’andro ny lalàna ho an’ireo mpamily izay miniha mandika izany. Asehoy amin’ny vahoaka fa tany tan-dalàna i Mdagasikara » hoy i Setra, mpahay lalàna. Mijanona ho resaka fotsiny ihany hatreto ireo fanambarana rehetra nataon’ny teo amin’ny fikambanan’ny mpitatitra manoloana ny hampiarana ny lalàna ho fanamaivanana ny lozam-pifamoivoizana. Ankilan’izany ny mbola fisian’ny kolikoly eto amin-tsika mahakasika ny fahazaon-dalana hamily fiara. Vao tsy ela akory izay, raha tsihahivina, no nitaraina ireo mpisehatra teo amin’ny fikambanan’ny fiteterana an-tanety na ny ATT fa tsy mifanaraka amin’ny isan’ireo mpiadina nandalo tao aminy ny isan’ireo olona mahazo ny karatra fahazahoan-dalana.
Lesoka avy amin’iza no tena mampirongatra ny loza tato ho ato ? Avela no ringan’ny fifamoivoizana ve ny vahoaka Malagasy vao hisy ny fandraisana andraikitr’ireo manam-pahefana manoloana izany ?
Haingotiana Andriamihaja
