ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nanao tatitry ny asa vita ny taona 2020-2022 ny ben’ny tanàna ao an-toerana

Ny zoma 27 janoary teo no nanatanteraka ny fivoariana nanaovana ny tatitry ny asa vita nandritra ny taona 2020 ka hatramin’ny 2022 ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Maro ireo zava-bita tao an-toerana voalaza nandritra izany, ary nisongadina manokana ny lafin’ny ara-tsosialy.

« Anisan’ny notsongaina manokana ny lafin‘ny ara-tsosialy tamin’ny fiatrehana ny ady tamin’ny valan’aretina covid-19 teto amin’ny firenena, izay tsy natao sakana tamin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana sy ny vinan’asa mihitsy izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Maro ny fanatsarana vita teto amin’ny kaominina, anatin’izany ny fametrahana ny Caisse unique sy ny fitantanan-draharaha ao anatin’ny mangarahara sy mahomby. Teo ihany koa ny hetsika ara-tsosialy maro izay nisongadina manokana ny fanaovana ny famorana faobe, ny kopia sy ny karapanondro faobe ho an’ireo izay efa nihoatra ny 18 taona. Ny ezaka natao ho fampananan’asa ny tanora eto amin’ny kaominina sy ny maro hafa » hoy hatrany ny fanazavana.

Maro moa ireo ezaka nasongadina nandritra ity tatitra ity ary saika nahazo ny anjara fampandrosoana avokoa ny sehatra misy ao an-toerana. Na izany aza anefa, nilaza ny avy ao amin’ny kaominina fa mbola hitohy hatrany ny ezaka ho fanatsarana sy fampandrosoana ny tanàn’Ankadikely Ilafy.

Manitra R.

Laisser un commentaire