ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nirotsaka an-tsehatra nanala ireo fako ny skoto

Nirotsaka an-tsehatra, nandray andraikitra nanala ireo fako mivangongo tao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy ireo skoto tao an-toerana. Efa ela no nitaraina manoloana ny fivangongon’ny fako tao an-toerana ny mponina, ka izao nitondran’ny skoto anjara biriky izao ny fanalana ireo fako, araka ny voalaza.

« Hiarahan’ny mponina mahalala, indrindra fa ireo mpandalo sy mipetraka manodidina eo, ny loto, ny fofona eo. Fihetsika feno fandeferana ary feno fanetre-tena no nasehon’ireo tanora ireo. Mila mandray fepetra ny tomponandraikitra manoloana izao fa tsy tokony hiandry na hitazana fotsiny » hoy i Vero, mpivarotra eo amin’ny manodidina.

« Zava-dehibe ary tsy misy mahavita izao fihetsika nasehon’ireo tanora ireo raha teto amin’ny kaominina sy ny fokontany. Ny hangatahana amin’ny tomponandraikitra dia ny mba hametrahana daba-pako eo ary hanala ny fako ara-potoana mba tsy ho herim-po very maina ny an’ireo tanora ireo » hoy i Zaka, mponina ao Ambohitrarahaba.

Zava-kendren’ny skoto ny hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana. Ao anatin’ny fitaizana azy ireo ihany koa ny fitondrana anjara biriky ho fampandrosoana ny fiaraha-monina misy azy, indrindra ny fandraisana andraikitra izay mendrika halain-tahaka sy atao ohatra hampivoarana ny tontolo izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire