𝗞𝗜𝗔𝗡𝗝𝗔 𝗥𝗔𝗕𝗘𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗔 : « Vaovao mampalahelo ho an’ny baolina kitra eto Mahajanga »
𝗞𝗜𝗔𝗡𝗝𝗔 𝗥𝗔𝗕𝗘𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗔 : « Vaovao mampalahelo ho an’ny baolina kitra eto Mahajanga. Vao avy nahazo fanapahan-kevitra avy amin’ny FMF izahay. Tapaka fa manomboka anio dia tsy hisy intsony ny lalao nasionaly (championnat sy coupe) hatao ao amin’ny kianja Rabemananjara ». Io no ranty navoakan’ny klioba Fosa Juniors tao amin’ny pejy fesibokiny omaly. Raha ny angombaovao dia vokatry ny fifanolanana sy fihenjanana eo amin’ny FMF sy ireo mpitsara baolina kitra ao Mahajanga izany. Nitaraina sy nitokona ireo mpitsara fa mbola ananan’izy ireo vola ny Federasiona izay nahatonga azy ireo hanala ny tsivalamby iray tao amin’ny kianja Rabemananjara nialoha ny lalao teo amin’ny Tsaramandroso Formation sy COSFA Football Academy Football ny 8 martsa lasa teo.
Ankoatra ny klioba avy ao Mahajanga, raha tsy hilaza afatsy ny Fosa Juniors sy Tsaramandroso FC, dia velontaraina ireo mpijery sy mpankafy baolina kitra ao andrenivohitr’i Boeny noho izao fanapahankevitrin’ny FMF izao, ka miantso ny roa tonta mba hifandinika hitady vahaolana.
