KITRA AFRIKANINA : Tsy tompondakan’i Afrika indray ny Lionan’i Teranga Sénégalais.
KITRA AFRIKANINA : Tsy tompondakan’i Afrika indray ny Lionan’i Teranga Sénégalais. Taorian’ny fitarainana sy fitoriana nataon’ny federasiona Maraokanina taranja baolina kitra dia nambaran’ny mpitsara ao amin’ny cour d’appel an’ny CAF fa « forfait » i Senegal nandritra ny lalao famaranan’ny CAN 2025. Ny Lionan’i Atlas Maraokanina indray izany no voahosotra ho tompondakan’i Afrika 2025, rehefa nambara ho mpandresy tsy niady tamin’ny isa 3 no 0.
Tsy nanaiky lembenana anefa i Senegal ka nandefa fitoriana tany amin’ny « Tribunal Arbitral du Sport » any Lausanne, izay rafitra tsy mifandray amin’ny CAF, fa an’ny FIFA.
Andrasana ny tohiny.


