ActualitésTatitra

Maurice : maty tsy tra-drano ilay mpitondra « motocyclette »

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray androany maraina, 10 May tany amin’ny lalan’ny mpanjaka any Canot Maurice. Tokony ho tamin’ny 6h25. Nifandona ny « motocyclette » sy ny fiara 2×4 izay an’ny orinasa Brinks. Nipitika avy hatrany niala ny lalana ilay motocyclette  ka maty tsy tra-drano ilay mpitondra azy, Jean François Philippe Maurice izay 51 taona monina any La Gaulette. Raha ny tatitra voalohany nomen’ny polisy, ilay fiara no nifatratra avy hatrany tamin’ity mpitondra kodiaran-droa ity izay nitarika ho amin’ny fahafatesany. Mpiasa iray avy ao amin’ilay orinasa kos ano naratra izay nentina haingana teny amin’ny Hopitaly Victoria tany Candos ary efa nahazo fitsaboana sahaza. Efa nentina tany amin’ny tranom-paty any aminn’y hopitalin’i Candos ihany koa ny vata mangatsiakan’i Philippe Maurice mba hanaovana ny fizahana azy. Nisy ny fanadihadihana nataon’ny avy ao amin’ny paositry ny polisy tao Bambous mba hanomezana fanazavana momba ny tena tranga niseho tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity.

Laisser un commentaire