Tchad : Nandresy tamin’ny ady tamin’ireo mpikomy
Tamim-pifaliana tanteraka no nandraisan’ny mponina any Tchad ireo miaramila avy niady izay nahafaty ny filoha Idriss Déby ny Alahady 9 May lasa teo. Nilaza ireto tafika Tchadienne ireto fa nandresy ny fanoherana ireo mpikomy izay notanterahana tany avaratry ny firenena nanomboka ny 11 aprily teo. Milamina ny faritry ny firenena ary tontosa ny iraka hoy ny filohan’ny Etamazoro any Tchad, Abakar Abdelkerim Daoud, ary nanambara fa tapitra ny ady tamin’ireo mpikomy. Fiara an-jatony sy mifono vy no tonga tao amin’ny renivohitra izay notronin’ny vahoaka marobe. Nambaran’ireo tafika hatrany ny fanagadrana ireo mpikomy miisa 156 izay nipetraka tao anaty vovoka tao amin’ny toby miaramila tao N’Djamena ary ireo fiara maro nongiazan’izy ireo.
