ActualitésTatitra

Thaïlande : Voasambotra avy hatrany ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra vao nigadona tao amin’ny firenena

Nanao sesitany ny tenany tany ivelany ny praiminisitr’i Thaïlande teo aloha Thaksin Shinawatra izay nandositra ny fanagadrana azy. 15 taona no nijanon’ity mpanefoefo 74 taona ity tany ivelany izao niverina tao amin’ny firenena izao saingy vantany vao nigadona ny tanindrazany izy dia voasambotra avy hatrany.

Raha tsiahivina dia lehiben’ny governemanta teo anelanelan’ny taona 2001 sy 2006 i Thaksin Shinawatra ary notsaraina nandritra ny tsy naha-teo azy noho ny raharaha telo izy. Isan’izany ny raharaha mifandraika amin’ny fitantanana ny firenena sy ny orinasany taloha Shin Corp. Voaheloka higadra valo taona an-trano maizana kosa io tompon’andraikitra teo aloha io.

Laisser un commentaire