ActualitésSportTsidika

Lalaon’ny nosy: Maimaim-poana ny fidirana ho an’ny lanonam-panokafana

Maimaim-poana ny vidim-pidirana ho an’ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny nosy andiany faha 11, izay atao ao amin’ny kianja Barea Mahamasina, rahampitso zoma. Amin’ny 05ora sy sasany hariva no hanomboka ny lanonana , saingy amin’ny 12ora atoandro dia hisokatra ny vavahady eny an-toerana, araka ny voalaza.

“Hisy show drones toy ny fahita amin’ny lanonan-dehibe fanokafana Lalao Olympika maneran-tany, mandritra ny Fanokafana ny Jeux des îles io. Hisy ihany koa ny Show Lumieres, Show Laser, Show Mapping, ny Mitabe sy dihy mirindra ary seho miavaka ataon’ireo tanora malagasy mihoatra ny 1.500 isa. Mpanakanto maro be no ho avy hanafana ny lanonana” hoy ny avy amin’ny komity mpikarakara ny lalaon’ny nosy.

“Ankoatra izay, eo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana sy ny fandaminana, manodidina ny 850 ireo mpitandro filaminana ahetsika ho fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ny fotoana hanatanterahana ny lalaon’ny nosy ity” hoy hatrany ny fanazavana.

Nandray izany fanapahan-kevitra izany moa ny komity mpikarakara ny lalaon’ny nosy mba ahafahan’ny rehetra miaina sy mijery ireo seho isan-karazany mandritra ity lanonam-panokafana ity. Marihina moa fa atleta miisa 4213 avy amin’ireo firenena 7 mpandray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy no hilahatra mandritra ny lanonana fanokafana ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire