Sabotsy Namehana : Miteraka aretina ny fako miparika ao Atsimontsena
Toerana fanariam-pako akaikin’ny sekoly iray ao Atsimontsena, kaominina Sabotsy Namehana no mampitaraina ireo ray amandrenin’ny mpianatra. Raha ny voalaza, miparitaka manerana ny toerana ireo fako ka mahatonga fofona ratsy sy loto ka miteraka aretina ho an’ny ankizy.
« Mangataka ny tomponandraikitra mahefa isan’ambaratongany mba hijery akaiky sy handray fepetra mahakasika io fako miparitaka io. Anisan’ny miteraka voka-dratsy na eo amin’ny fahasalamana na eo amin’ny endriky ny tanàna ny tsy fanalàna io fako io » hoy i Nasandratra, ray amandrenin’ny mpianatra.
« Anisan’ny olana mitranga eto amintsika, tsy vao izao fa fa hatramin’izay ny fahamaroan’ny fako sy ny tsy fahampian’ny fandraisana an-tanana ny fikarakarana izany. Amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao moa dia miampy ny rano miangona sy ny fofona ratsy aterany. Tokony samy mahatsapa tena ny tsirairay » hoy i Tianasoa, mpivarotra ao Sabotsy Namehana.
Maro ny olana ateraky ny fako miangona na eo amin’ny lafin’ny fahasalamana na eo amin’ny sosialy. Anisan’ny manome endrika ratsy ary mampidi-doza amin’ny fahasalamana ny fako ka tokony samy handray andraikitra ny rehetra ary hifanentana, enti-miady amin’izany hisorohana ny olana samihafa.
Manitra Ramanantsoa
