Dépêches

Mampitolagaga ny maro ny valim-pitsarana eto amin’ny firenena

24 Jona, 09h00. Raha tsiahivina dia tovolahy 6 no nosamborin’ny polisy noho ny fanompana manam-pahefana tato amin’ny tambajotra sosialy. Nidoboka eny Antanimora ny 4 mirahalahy amin’ireo. Nahazo fahafahana vonjimaika ny 1 tsy ampy taona. Arahin’ny fitsarana maso kosa ny iray noho izy mbola hanala fanadinana BACC. Nampitolagaga ny maro izany fanapahan-kevitra izany ary nampametram-panontaniana azy ireo ny fandraisana valim-pitsarana. Raha ny hita mantsy dia mavesatra kokoa noho ny sazin’ireo mpanao heloka be vava (acte criminel) ny sazin’ireo nandika lalana (acte de vandalisme).

Laisser un commentaire