SportTsidika

Manandriana : Efa hanomboka ny famoahana ny hetra eo amin’ny Kaominina

Ho avy tsy ho ela ny hetsika hamoahana ny hetra eo amin’ny Kaominina Manandriana Distrika Avaradrano. Nandefa filazana ny kaominina Maanndriana fa nisy ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny ProDéCID ka nitady olona folo hanao fanadihadihana sy fanisana mba hamoahana ny hetra eo amin’ny Kaominina izy ireo.

« Tsy misy ny fandefasana hafatra miafina fa tsy maintsy eny amin’ny kaominina avokoa no hanaterana ny antotan-taratasy mba hisian’ny mangarahara » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny tanànan’i Manandriana Avaradrano. « Sady fanomezana asa ho an’ireo tanora manana ny mari-pahaizana Bacc+2 farany ambany ary mipetraka ao anatin’ny Kaominina ihany no tadiavina kanefa eo ihany koa ny adidy manoloana ny fandovan-ketra » hoy ny tompon’nadraikitra eo amin’ny kaominina.

« Mankasitraka sahady ny tolotr’asa izay tsy nasiana fanavahana fa ho entina hampandrosoana ny kaominina ihany izany sy ho fitaratra ho an’ny rehetra ny amin’ny fisian’ny mangaraharaha hatrany » hoy i Lova, mponina any an-toerana. Isika mpitondra eny ifotony tokoa no fitaratra ho an’ny vahoaka, ilaina ny mpitondra manana vina sy tanjona ary tsy manaiky raha tsy tratrany iny tanjona iny. Azo antoka ny fandrosoan’ny firenena raha manao ny asany tsara sy mitsinjo ny vahoaka ary mampanjaka hatrany ny fahamarinana ny mpitondra isan-tsokajiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire