Italie : Lehilahy iray no nanavotra zazavavy nilatsaka avy teny amin’ny rihana fahadimy ny trano lehibe iray
Lehilahy mpiasan’ny banky iray antsoina hoe Mattia Aguzzi, 37 taona no nanavotra zazavavy kely 4 taona nilatsaka avy teny amin’ny rihana fahadimy ny trano lehibe iray tao Turin. Saika nandeha nividy mofo izy no nahare hikiaka tampoka raha ny fanazavany. Rehefa nijery ambony izy hoy izy dia nahita zazavavy kely nikirazorazo teo amin’ny sisin-davarangana.
Nilatsaka avy teny amin’ny rihina fahadimy ilay zaza saingy voatatin’i Mattia Aguzzi. Niara nianjera tamin’ny tany nefa izy ireo ary tsy nahatsiaro tena ilay zaza saingy minitra vitsy taorian’izany dia nitomany ka nitony ity lehilahy ity raha ny fanazavana. Vetivety ihany dia tafidina ny ray aman-drenin’ilay zazavavy kely ary nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany ny tenany.
Manoloana ny tranga kosa dia nitondra teny fankasitrahana ho an’io lehilahy namonjy ny zaza io ireo tompon’andraikitra ambony toy ny praiminisitra Giorgia Meloni.
