Ambohimanambola: Mila fanohanana ireo tanora mpilalao baolina kitra
Fandresahna hatrny nyazon’ny ekipan’ny kaominina Ambohimanambola nandritra ny fifandonana, tamin’ny lalao balina kitra Intercommunal. Ho an’ny valin’ny lalao tamin’ny faran’ny herinandro teo, nandresy ny ekipan’ny kaominina Ambohimanga rova, tamin’ny salan’isa 2 no 1 izy ireo, araka ny voalaza.
“Rehefa manao ny ezaka rehetra ny mpilalao dia fahombiazana sy fandresena hatrany no hita. Mendrika fanohanana izany ezaka atolotry ny tanorantsika ahafahan’izy ireo mihoatra lavitra sy mitondra avo ny anaran’ny kaominina” hoy ireo tomponandraikitry ny kaominina.
“Mbola vonona hatrany izahay tanora hanao ny ezaka sy hanome ny tsara noho ireo teo aloha amin’ireo lalao mbola ho avy. Izany indrindra no angatahana fanohanana hatrany sy fankaherezana avy amin’ny tsirairay mba ho voninanhitry ny kaominina” hoy ny avy amin’ireo mpilalao.
Nisy ny fandraisana ireo mpilalao baolina kitran’ny kaominina ny faran’ny herinandro teo naton’ny ben’ny tanàna lefitra tao an-toerana. Natao moa izany mba ho fialana hetaheta sy fanohanana ireo mpilalao hatrany.
Manitra R.
