ConseilTsidika

Torohevitra : Tsy fanary ny hoditr’akondro

Matetika arian’ny olona amin’izao fotsiny ny hoditr’akondro. Mbola betsaka ny azo hampiasaina ny hoditr’akondro.

Azo hanaovana dite tsara izy, ary mitondra zava-tsoa ho an’ny fahasalamana. Ny hoditr’akondro aloha dia mavesatra, ary izay no antony tsy hihinanana azy miaraka amin’ny akondro ao anatiny. Na izany aza betsaka ny singa ao aminy, toy ny potassium, vitamine C, B6, B12, Magnésium, fibre. Atao toy ireny dite ireny izy, ary tena manala rarintsaina na fikorotanan’ny saina. Mampidina tosi-dra ihany koa ary manampy betsaka amin’ny fandevoan-kanina. Miaro amin’ny mety ho fitohanana ary manala izany mihitsy azy. Manampy betsaka ho an’ny olona tsy mahita tory. Tsara ho an’ny maso sy ny fo ihany koa, izy ary manala tavy sy mampihena vatana.

Rano iray litatra no ampangotrahana ary alefa ao ny hoditr’akondro iray voasasa tsara rehefa mangotraka ilay rano. Ajanona eo mandritra ny 10 minitra izay vao esorina. Azo sotroina avy hatrany na asiana vovoka cinnamon araka izay tiana. Mila manova isan’andro fa tsy azo tahirizina.

Laisser un commentaire