ActualitésTsidika

Foaran’Anjeva : Hisy trano heva isan-karazany

Hotontosaina ny 30 sy 31 desambra ho avy izao, mandritra ny hetsika Anjeva Manala Azy, ny « Foaran’Anjeva » izay hampiratiana ireo varotra sy vokatra misy any an-toerana. Ahitana trano heva marobe manritra io fotoana any Anjeva io, ka hanomezana lanja kokoa ireo mpisehatra sy mpamokatra eny an-toerana.

« Hetsika entina hampahafantarana ny mponina mikasika ireo vokatra misy sy vokarina eny an-toerana ka hahitan’ireo mpampiranty mpiara-miasa ihany koa » hoy i Diamondra, mpikarakara ny hetsika. « Hizotra ny 30 sy 31 desambra ity hetsika izay karakarain’ny kaominina sy ny BTC Ambohimangakely ity, ka hanasana ny rehetra hanatrika izany fety be izany, sady hisy kermesy no hisy fampisehoana isan-karazany » hoy ny solontenam-panjakana any an-toerana.

« Hahafinaritra ity fety ity raha izany, ka irariana ho maro ny ho tonga satria tena mampandroso ny kaominina tokoa ny tahaka izao » hoy i Vero, mponina ao Anjeva. Mbola maro ny hetsika hafa ankoatra ity foara ity, ary maimaimpoana ny fidirana amin’izany ka hanasana ny rehetra na tsy ny avy ao Anjeva aza. Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny BTC sy ireo kaominina eto Avaradrano rehetra ho fampandrosoana ny Distrika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire