Matsiatra Ambony : Mila ampiroborobana hatrany ny famokarana volobe
Mila fampiroboroboana hatrany seha-pihariana « volobe » na « valiha » ao Matsiatra Ambony ka nampahafantatra ny maha zava-dehibe izany tany an-toerana ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tsy nijanona tao ihany fa niezaka namonjy ny faritra hafa ihany koa izy ireo.
« Afaka mifampidinika ireo teknisianina sy ireo mpamokatra ary mpanodina volobe nandritra izao fampahafantarana izao ary afaka nilaza ny olana sedrainy ihany koa ireo mpamokatra volobe » hoy ny avy eo amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana. « Misy ireo tekinika mahomby amin’ny fambolena izany sy fampiroboroboana azy ka tokony hanaraka izany hatrany ireo mpisehatra ao anatiny » hoy ny avy ao amin’ny Prosperer nandritra ny hetsika.
« Mbola olana lehibe amin’ny famokarana eto amintsika ny fanarahana ny fomba nentim-paharazana izay zary toa mampihena ny vokatra tokony ho azy izany ka eo indrindra no ilaina ireo manam-pahaizana hizara traikefa » hoy i Minosoa, mponina ao Matsiatra Ambony. Tena ilaina tokoa ny famokarana ny volobe noho izy azo trandrahana hatrany hanaovana garaba ohatra. Manan-karena ny nosintsika saingy mbola mila fitrandrahana tsara izany dia handroso i Madagasikara.
Nicole Rafalimananjara
