France : Tsy hanapaka ny jiron’ireo tsy nahaloha vola intsony ny EDF
Toy ny Jirama eto Madagasikara ny Electricité De France : samy mitsinjara herin’aratra ho an’ny mpanjifa. Tsy mitovy kosa anefa ny fomba fiasany.Vaovao mahafaly ho an’ireo sahirana amin’ny fandoavan-jiro no nambaran’ny EDF omaly. Nilaza izy ireo fa tsy ho tapahina intsony ny jiron’ireo tsy mahaloa volan-jiro ao an-toerana. Marihina fa miakatra ny vidin’ny angovo ao France ka nidina niaraka tamin’izay ny fahefa-mividin’ny Frantsay maro.Anton’io fanavaozana io ny fahatongavan’ny ririnina na ny « trêve hivernale » raha ny fanazavan’i Marc Benayoun, talen’ny mpisahana ny mpanjifa, tolotr’i EDF. Haharitra hatramin’ny 31 martsa 2022 izany tolotra izany hoy izy saingy nanambara kosa izy fa tsy hitovy amin’ny herin’ny jiro fampiasa mahazatra no omena ireo olona ireo (puissance minimale).
