SocialTsidika

Belanitra Ilafy : Mila tohanana hatrany ny fanabeazana ny zanaka Malagasy

Nanolotra fanampiana ho an’ny « Ivon-toerana Mampianatra Mamaky teny sy Manoratra ary Mikajy » ny « Assurance Allianz » ho fanorenana ny efitrano fianarana ho ao Belanitra, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Vola mitentina telo tapitrisa Ariary no nomeny nandritra izany. « Tohana lehibe ho an’ny ivon-toerana izao, satria raha ankizy miisa 60 no nobeazina teto teny ampiandohan’ny taom-pianarana 2020-2021, ka efa miisa 150 kosa izy ireo ankehitriny. Ilaina indrindra ny fanitarana hahafahana mandray ireo mpianatra ireo raha ny tokony ho izy » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ity ivon-toerana ity.

« Raha ny vokatra voalohany azo teo dia mahabe fanantenana. Mpianatra miisa 5 tamin’ny 7 no afaka fanadinam-panjakana CEPE, ary ezahina hatrany ny hanatsara izany vokatra izany » hoy ny mpampianatra iray ao an-toerana. « Fiatombohan’ny fiaraha-miasa fotsiny ihany izao fa ny manetsa be mbola ho avy izay ho entina hampanrosoana hatrany ny fanabeazana eto Madagasikara » hoy ny Tale Jeneralin’ny « Assurance Allianz » izay tonga nandritra ny hetsika fanampiana. Mila tosika tokoa ny fampianarana eto amintsika indrindra eo amin’ny  foto-drafitr’asa. Mbola marary ny fanabeazana ka mila antsika rehetra hiara-hientana hampandroso izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire