Hetsika fizarana katsaka sy ronono ho an’ireo mpianatra any amin’ny faritra Amoron’i Mania
Nanokana andro iray isan-kerindro ho fanomezana tohana ara-tsakafo ho an’ireo mpinatra eny amin’ny ambaratonga fototra ireo tompon’andraikitra mahakasika izany. Tapaka noho izany fa isaky ny zoma ariva no hizarana katsaka sy ronon ho an’ireo mpianatra rehetra manerana ny faritra.Ny sekolim-panjakana fototra Antoetra, Cisco Ambositra no nisitraka voalohany ny fanampiana, izany nanomboka ny zoma voalohany amin’ny volana oktobra lasa teo. Anisan’ireo solotenam-panjakana no sady mpiara-miasa tonga nanatrika ny fanombohan’ny asa sosialy ny Goverinoran’ny faritra Amoron’i Mania, Radaloson Mamiarisoa Aline. Marihina fa tsy ny faritra atsimon’i Madagasikara ihany no hiharan’ny tsy fahampia-tsakafo fa saika ireo mponina manerana ny Nosy mihitsy.Ny tsy fanjarian-tsakafo izay olatra navelan’ny valan’areina covid-19 noho ny fihenan’ny toe-karen’ny mponina ifotony. Anisan’ny nitarika fikorotanana teo amin’ny sosialin’ny vahoaka Malagasy ny fandalovan’izany aretina izany teto amin’ny tany sy ny firenena Malagasy. « Misaotra ireo tompon’andraikitra amin’izao fanohanana ara-tsakafo izao. Mangataka ny hitohizan’izao asa izao izahay mpampianatra noho izy izay manampy betsaka ireo mpianatra avy amin’ny fianakaviana sahirana » hoy i Fanja, mpampianatra ao Ambositra. »Tsy kolotsain’ny faritra ny fizarana hanimasaka fa ajanony azafady. Fanandevozana no dikanio ao fa mba mianara tantara ianao fa na olona mpitsindroka ary ao tsy omena hanimasaka izany, farafaharatsiny fotsimbary no omena azy andrahoany » hoy i Ny Avo Rakotoson, mponina any an-toerana. « Hatreo amin’ny faha enitaonany ihany ny zanak’olombelona no tokony hahery hihinana sy hisotro ireo vokatra azo avy amin’ny ronono, manimba ny fahasalamana indray ny fihinana izany be loatra raha toa ka mihaotra izay sala-taona izay » hoy i Dr Ndriana. »Sady sosialim-bahoaka no fifanampiana amin’ny ray aman-dreny izao hetsika izao. Isaky ny faran’ny herinandro no hanatanterahina ny fizarana sakafo ho an’ireo mpianatra, izany hoe isaky ny zoma » hoy ny Goverinoran’ny faritra, Radaloson Mamiarisoa Aline. Anisan’ny manamarika ny sosialim-bahoaka ny fanomezana asa ho an’ny vahoaka ahafahany mivelona sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenene. Izany hoe zavatra maharitra izay mifanaraka amin’ny lalàna sy ny zo maha-olona fa tsy vahaolana haitraitra sy vonjy maika fotsiny ihany. Entanina ihany koa ireo olona ambony izay fitaraty ny vahoaka Malagasy hianatra sy hanaja ireo kolontsaina misy amin’ny faritra manerana ny Nosy. Mahametra izany hoe Minisitra tsy mahay ny kolotsaina misy amin’ny foko iray. Hofanina hangataka toy ny fanaon’ny fanjakana ve ny vahoaka ?
Haingotiana Andriamihaja
