Tombontsoa ho an’ny Entreprise de l’Économie Sociale et Solidaire (EESS)
Mivelatra kokoa noho ny ESUS (Entreprises Solidaires d’Utilité Sociale (ESUS), ny orinasa ESS dia voafaritra ao amin’ny andininy 1 amin’ny lalàna ESS. Ny fikambanana sy ny kaoperativa dia raisina ho toy ny orinasa ESS, ary ny orinasa ara-barotra mahazatra (SA, SARL, SAS, sns. .) dia afaka miditra ao anatin’ny sehatry ny ESS ankehitriny raha mahafeno fepetra sasantsasany izy ireo, indrindra fa ny lalàna. Ny tombony ho an’ny orinasa ara-toekarena ara-tsosialy sy firaisankina (EESS) dia maro:
Ansian’izany ny fankatoavan’ny vahoaka sy ny mpamatsy vola (ambonimbony na tsy miankina) ireny orinasa ireny ho ara-dalàna tsara. Afaka miditra amin’ny tolotra serivisy voatokana avy amin’ny mpisehatra tsy miankina (banky, orinasa fiantohana, sns.)Tafiditra ho mpikambana ao amin’ny tambajotrana orinasa na ny federasiona. Fahazoana famatsiam-bola navoakan’ny mpisehatra manodidina ny enimpolo. Ohatra any Frantsa: BPI France, France Active, Caisse des Dépôts et Consignations, …
Ny fanamorana ny fidirana amin’ny famatsiam-bola ho an’ny daholobe: ny andininy faha-59 amin’ny lalàna ESS dia milaza fa ny fanampiana, izay avy amin’ny andrim-panjakana rehetra fehezin’ny lalàm-panjakana na tompon’andraikitra amin’ny asam-panjakana, dia mifanitsy amin’ny « fandraisan’anjaran’ny tombontsoa ankapobe ho an’ny sampan-draharaha tsy miankina ».
Fahafahana mamorona na miditra amin’ny Pôle Territorial de Coopération Économique (PTCE). Eo ihany koa ny fahafahana misitraka ny mahakasika ny fifanarahana ho an’ny daholobe izay mifandray manokana amin’ny serivisy ara-pahasalamana, sosialy na kolontsaina.
Afaka mifaninana amin’ny fiantsoana tetikasa atolotry ny mpisehatra an-tsitrapo sy tsy miankina. Ary farany dia afaka ihany koa mandray ireo mpiasa izay mipetraka eo ambany fiahian’ny Fitsarana izay voatery miasa ho amin’ny tombontsoa ankapobeny amin’ny faritany hametrahana azy.
Miora Raharisolo
