Dépêches

Sambo rendrika tao Ambilobe: 22 no maty, 23 velona

Dépêche 13 mars, 14h, Tafiakatra hatramin’ny 22 ankehitriny ireo hita faty noho ny faharendrehan’ilay sambo nitondra olona nikasa nivoaka an-tsokosoko an’i Madagasikara ka ho any Mayotte tao Ambilobe. Miisa 23 kosa ireo izay avotra sy velona soa aman-tsara saingy nitsoaka avokoa izy ireo noho ny tahotra ny higadra. Marihina moa fa misy ny lalàna tokony harahina mialohan’ny fivoahana ny sisin-tanin’ny Madagasikara. Voasazy kosa araka izany ireo izay minia mandika izany lalàna izany.

Laisser un commentaire