ActualitésTsidika

Sambava : Nifanampy sy niray hina ny mpianatra nanavotra ilay mpampianatra

Tranon’ny mpampianatra iray ao Moratsiazo no tototry ny tany noho ny firodanan’ny tamboho. Potika tanteraka ny trano saingy tsy nisy ny aina nafoy.

« Alina, tokony tamin’ny 11 teo ho eo, no nirodana ny tamboho mifanila ny tranonay. Potika ny trano. Izaho irery no tao an-trano fa ny vady aman-janako mbola any Toamasina » hoy i Estage Olin, mpampianatra teny anglisy ao amin’ny lycée Catholique St Thérèse Sambava Centre. « Tena nahafinaritra ny nahita ireo mpianatr’i ramose niray hina tao anatin’ny sarotra. Nanao tanana niara-nibata ireo fitaovana sisa tsy simba tao an-trano izy ireo » hoy i Jean, mponina ao Moratsiazo.

« Nifanesy loatra tokoa ny rotsak’orana ary, fotoanany mihitsy izao. Mila manamarina tsara ny manodidina azy ny rehetra sao misy tokony ho amboarina » hoy ny Kapiteny Vatsiamana Diana Commandant de la Compagnie Sambava, nitarika ny Zandarimaria teny an-toerana nisehoan’ny loza.

Tsy nanadino fa nanampy teny an-toerana ihany koa ireo mpanabe namany rehetra. Tsy ny loza no mahafinaritra fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra ao anaty loza.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire