ActualitésTatitra

Iran: Tena nisy ny mpanjakavavy Qajar

Niparitaka tao amin’ny tamba-jotra sosialy ny sarin’ity mpanjakavavy Qajar ity tamin’ny taona 2019, niaraka tamina fanambarana fa vehivahy tsara tarehy tamin’izany androny izy. Mamaritra ny taranaka mpanjakavavy Kadjar (fianavakavian’ny mpanjaka nifandimby tao Iran ny teo anelanelan’ny taona 1786 sy 1925) ny teny hoe “Princesse Qajar” na mpanjakavavy Qajar.Ity malaza indrindra amin’izy ireo ity kosa no antsoina hoe Fatemeh Khanom nomena ny anaram-bositra hoe Esmat al-Dawlah, iray amin’ny zanaka vavin’i Nassereddine Chah, nanjaka tao Perse hatramin’ny 1896. Voasokajy ho vehivahy tsara tarehy indrindra tao Perse ny zanak’ity mpanjaka ity, raha ny tantara dia an-jatony ireo lehilahy nanry ny ho vadiny ary 13 tamin’ireo no namono tena noho ny fandavany.Diso anefa izany tantara izany, teo amin’ny faha 9 na 10 taonany ity mpanjaka vavy ity dia efa nampanambadiana an’i Muhammad Khan Muʻayyir al-Mamli ary nonina tao amin’ny lapan’ny rainy izy. Tsy nanana fifandraisana tamin’ny tontolo ivelan’ny lapa ny tenany noho izy efa nanambady.

Laisser un commentaire