SocialTatitra

France: Fatin-dehilahy may hita tao Marseille

Fatin-dehilahy may iray hita tao amin’ny Parc Corot, tao amin’ny boriboritany faha 13 ny zoma 17 septambra teo. Raha ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana dia mbola tovolahy ity maty ity ary africain. Nahita diana bala 3 ihany koa ny tongony havanana. Lehilahy roa no namoaka azy avy tao anaty fiara fotsifotsy ary nandraraka ranon-javatra taminy hoy ireo vavolombelona. Marihina fa toerana efa malaza amin’ny fivarotan-tena sy ny herisetra io faritra io.

Laisser un commentaire