ActualitésTatitra

Espagne : Eveka iray raiki-pitia tamina mpanoratra tantara ho an’ny olon-dehibe « érotico-satanique»

Nahafoy ny asany i Xavier Novell, evekan’i Solsona teo aloha noho ny fitiavany ilay mpanoratra Silvia Caballol, izay mpanoratra malaza amin’ny fanoratana boky ho an’ny olon-dehibe. Ny 23 aogositra teo izy no nanapa-kevitry ny hiala ary tsy mbola nilaza ny antony izy tamin’izany fa nanambara fotsiny fa noho ny antony manoka. Noheken’ny Pape François avy hatrany moa io fanampahan-kevitra io.Nipetraka ny fanontanina tao aorian’io ka nisy ireo nilaza fa ny tsy fitovian-keviny tamin’ny Pape no nahatonga azy niala, nisy kosa ireo nanambara fa tsy nazaka ny fanerena izy. Ny 6 septambra teo no namoaka ny tranokala fampitam-baovao Religion Digital fa niraiki-pitia tamin’io mpanoratra io izy ka niala mba tsy handikany ny lalàna.

Laisser un commentaire