ActualitésTsidika

Ilaina ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny tobim-pahasalamana

Mbola maro ireo aretina iadiana eto amin’ny firenena ankoatra ny valan’aretina Covid-19. Ao anatin’izany ny poliomyétite na ny lefak’ozatra izay nanatanterahana hetsika maro ny herinandro lasa teo. Nahazo fanafody ny vahoaka eny amin’ny Tobim-pahasalamana fototra (CSB 2). Anisan’izany ny fanafody fandrindrana ny fiainam-pianakaviana na PF, ireo fanafody iadiana amin’ny Tazomoka, ireo fanafody omena ny vehivavy bevohoka…

Tonga nijery sy nanaramaso teny ifotony ny minisitra, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis omaly mba hisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana sy fampiasana izany. Niainga teny amin’ny foibe famatsiana fanafody Salama Anosiala ny fanarahamaso nataony, nanaramaso ny famatsiana ireo fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana.  Nanohy teny amin’ny toerana fitantanana sy fitsinjarana fanafody « PHA-G-DIS » tao amin’ny « SDSP Itaosy », ka hatreny CSB 2 Tsararivotra Ambatofotsy ny tenany.

« Aoka izay ny gaboraraka fa andao hifanome tanana hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka » hoy ny fanatitranterana. Nanome toromarika ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fanatsaràna hatrany ny fitantanana sy ny famatsiana isan’ambaratongany ireo fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana ireo izy mba ahafahan’ny vahoaka misitraka marina ny fisian’ireo fanafody maimaimpoana ireo tokoa.

Hasina Rasamimanana 

Laisser un commentaire