ActualitésTsidika

Mangataka ny hisokafan’ny orinasa Base Toliara ireo tanora ao an-toerana.

Rehefa niandry nandritra ny fotoana maharitra ny amin’izay fanapahan-kevitra avy amin’ny fanjakana ny tanora monina ao toliara ny amin’ny fanokafàna ny orin’asa dia tsy mbola nahenoana valiny anefa izany hatreto ka nanapa-kevitra ny hamerina ny fangatahana indray izy ireo ary nanao fanambarana mihitsy.Tao anatin’ny volana septambra lasa teo no tonga ireo tanora maromaro avy any Kenya izay nalefan’ny orin’asa hiofana momba ny fitrandrahana fasi-mainty, noho ny fikatonan’ny orin’asa anefa dia tratran’ny tsy fananan’asa indray izy ireo ary very maina fotsiny ny fiofanana nandritry ny roa taona vita. »Mijaly izahay noho tsy fananan’asa, maro ny tombotsoa fatantray fa azo ny amin’ny fisian’io orin’asa io ary efa nanantena ny hiaina am-pilaminana sady miasa izahay kanefa dia na ny hanina hoaninay aza manahirana noho ny tsy fisian’asa, rehefa tsy hanome asa mivantana ho anay ny fitondràna dia tokony tsy akatony ny orin’asa vonona hanampy anay » hoy i Andry isan’ireo tanora avy tany Kenya.Na ny mponina ao koa dia nilaza fa « maro ny fiaraha-miasa efa nifanarahanay sy io orin’asa io, Isan’izany ny famindrana ireo razana sy fanamboarana ireo fasanay ireo izay efa vita fombafomba avokoa saingy dia mitsahatra aloha izany ankehitriny noho ny fikatonana ». »Misy ny sasany amin’ireo vahoaka no efa voavidin’ny teratany vahiny vola ka lasa mamadika ny mpiray rà aminy ihany, tsy mandinika lalina akory ny mety ho voka-dratsy fa faly ny hisokafàn’io orin’asa io fotsiny” hoy kosa ny sasany tamin’ireo mponina. »Tokony hanao fanambarana mihitsy ny fitondram-panjakana ny amin’io resaka base toliara io mikasika ny mbola hisokafany na tsia, fa lasa miady anatiny tsy fidiny ny vahoaka, ahafahany mionona raha tsy ho sokafana intsony na andraisany fanapahan-kevitra raha mbola ho sokafana » hoy i Sandii mpamakafaka fiainam-pirenena.Miandry sy manantena valiny arak’izany ireo vahoaka ao an-toerana mba hivahan’ny olana eo amin’izay sehatra izay, ary miantso ireo manam-pahefana mba hidina an-tsehatra fa anisan’ny mampitombo ny tsy fandriam-pahalemana koa ny tsy fananan’ny olona asa.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire