ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Mitana andraikitra lehibe amin’ny zava-boaary ny ala

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiainan’ny natiora ny ala. Mifampiankina amin’ny ala avokoa ny voaary rehetra indrindra ny olombelona. « Mamokatra ny filan’ny mponina amin’ny andavanandrony momba ny hazo sy ny akora fototra ny ala. Miaro ny loharano sy ny sahandriaka ary mitazona ny tany tsy ho kahon’ny riaka izy » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.

« Ny ala no toeran’ireo karazan-java-manan’aina maro. Manadio ny rivotra sy manalefaka ny fiovan’ny toetr’andro ihany koa ny ala » hoy i Ando, manam-pahaizana manokana mikasika ny tontolo iainana. « Tsara raha samy miezaka mamboly hazo ny rehetra. Ny hazo mitambatambatra mantsy no manome ala. Fotoanany izao ka mahaiza manararaotra » hoy i Melanie, mpampianatra eny amin’ny lycée.

Mila ezaka lehibe tokoa isika eto Madagasikara amin’ny fampitomboana ny ala. Miantraika mivantana amintsika mantsy ny tsy fahampian’izany. Mitohy ny ady amin’ny fiarovana amin’ny covid-19, mitohy ihany koa ny ezaka fanavotana ny ala.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire