SocialTsidika

Resaka mikasika ny fahasalamana ara-pananahana : mbola saro-pady izany any amin’ny faritra Amoron’i Mania

Mbola anisany resaka saro-pady ny resaka fananahana eto Madagasikara indrindra fa any amin’ny faritra Amoron’i Mania.

Betsaka ny vohoka tsy nirina any amin’ity faritra iray ity ary indrindra fa ny ankamaroan’ny renim-pianakaviana any dia mbola kely taona avokoa. Ny antony izany dia ny tsy fahampiany fanambeazana ara-pananahana teo amin’izy ireo noho ny toe-tsain’ny olona aizay mieritreritra fa saro-pady ary resaka tsy tokony ho heno mihitsy ny resaka fananahana kanefa tena ilaina tokoa ny firesahana izany fananahana izany mba hialana ny loza ateraky ny fiterahana aloha loatra. Efa misy ny fanentanana an’ireo mponina ny amin’ny tokony hanaovan’izy ireo fanabeazana aizana mba hanenana ny zaza ateraka sy ny fahasarotana eo am-piterahana.

« Efa miala tsikelikely amin’izay toetsaina izany ny mponina amin’izao fotoana izao ary 75 % ny fanarahana akaiky ny mponina ka raha mbola kely ny mpivady ao amin’ny tokantrano iray dia efa amporisihana hanao fandrindram-pianakaviana » hoy i Rémi Arsène Razafindrambelo, mpanentana amin’ny fandrindram-pianakaviana any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Ankazoambo disitrikan’i Ambositra. « Mba hialana ny vohoka aloha loatra sy ahafahany zanako miaina am-pilaminana dia nisafidy ny fanambeazana aizana an-tsindrona aho » hoy i Nofy, mipetraka any Ankazoambo izay 21 taona manan-janaka 18 volana. Nanamafy kosa i Gladys Rasolonjato, tompon’andraikitra amin’ny fahasalamana ara-pananahana ao amin’ny tale ara-paritry ny fahasalamam-bahoaka (DRSP) fa mila hamafisina ny fanentanana amin’ny fandrindram-pianakaviana.

Mila arahi-maso akaiky ny resaka fananahana eto amintsika satria tena mbola betsaka ny tovovavy bevohoka aloha loatra eny fa na dia efa misy aza ny fanentanana amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera maro mba hisorohana ny vohoka aloha loatra sy tsy nirina. Ilaina koa fandraisan’ny ray aman-dreny ny anjara birikiny amin’ny fisorohana ny vohoka aloha loatra fa tsy hialokaloka ao ambadikin’ny hoe « resaka saro-pady izany ».

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire