ActualitésSportTsidika

Avaradrano: Foana ny lalao famaranana ny “Tournoi inter-communal Baolina kitra”

Foana ny lalao famaranana ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena, eo amin’ny distrika Avaradrano, eo amin’ny taranja baolina kitra, izay tokony natao tamin’ny alahady teo. Ny ekipan’ny kaominina Alasora sy ny kaominina Ambohimanambola no tokony hiatrika izany lalao famaranana izany. Nosoloina “Match de défi” teo amin’ny kaominina roa tonta izany, araka ny voalaza.

“Maro ireo savorovoro sy antony niseho nandritra ny fiatrehana ny lalao manasa-dalana, izay nifanandrian’ny kaomininana tamin’ny ekipan’i Sabotsy Namehana ka nahatonga ny fanapahan-kevitra teo amin’ny kaominina niroso tamin’ny fanafoanana ny lalao, ka tsy nandray anjara tamin’ny famaranana ny inter-communal baolina kitra.” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Izany fanapahan-kevitra izany dia natao ho fiarovana ny fandresena izay efa azo tamin’ny manasa-dalana sy hamelomana hatrany ny baolina kitra ho an’ny kaominina ka nirosoana ny match de défi teo amin’ny kaominina roa tokony hiatraika izay lalao famaranana izay, dia ny kaominina Alasora izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa tamin’ny alahady teo ihany no nanatanterahana izany lalao fanamby, donan’ny samy ngeza izany. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 4 sy iray moa ny kaominina Alasora, ka nahazo ny lela-vola 2.000.000ariary.

Manitra R.

Laisser un commentaire