ActualitésTatitra

Suède : Misy tranom-bakoka ho an’ny « selfie » ao Stockholm

Misokatra ao Stockholm ny tranom-bakoka ho an’ny « selfie » izay manome vahana ny fakana sary ho an’ireo miankin-doha na mpanaraka ny tambajotra sosialy Instagram sy TikTok ary na ireo hafa ihany koa aza. Voasokajy ao anatin’ny fikarohana hifanakalozan-kevitra ho an’ny tambajotra sosialy ity tranom-bakoka ity ary natao hitarafana ny vanim-potoana 2020 izy. »Youseum » no anaran’ity toerana ao an-drenivohatr’i Suède ity, tsy manana sangan’asa kanto mihantona eo amin’ny rindrina fotsy lehibe saingy samy afaka mamokatra ny sariny ny tsirairay. Toeram-pialam-boly (parc d’attraction) kokoa no manaiky ity toerana ity hoy i Sofia Makiniem, tompon’andraikitry ny toerana. Misy vidim-pidirana 29 euros kosa ny toerana.

Laisser un commentaire