SportTsidika

Faravavy Aurélie, atleta jamba, no hisolo tena an’i Madagasikara any Japon amin’ny 100m

Mpilalao tokana hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny  « Jeux Paralympiques » hotontosaina any Japon ny 24 aogositra hatramin’ny 5 septambra i Faravavy Aurélie. Hilahatra amin’ny 100m ity atleta jamba ity ary nahazo ny « wild card » mba hahafahany mandray anjara amin’ny hetsika.

« Hanainga ny faran’ny herinandro izao izy ary efa azo alzaina ho vonona tsara na dia azo lazaina ho isan’ny lalao lehibe nandraisany anjara voalohany aza izao » hoy i Razafimahandry Olivier, mpitarika sy mpanazatra azy ary hitondra azy amin’ity allao any Japon ity. « Reharehan’ny malagasy tokoa izy na dia nanana ny kilema aza dia nanana tanjona tsara sy ambony izy » hoy i Larissa, tanora.

« Nanomboka ny tamin’ity taona ity no nisehoako tamin’ny lalao iraisam-pirenena izay efa nahazahoako medaly volafotsy tamin’ny 100m tany Dubaï » hoy i Faravavy Aurélie. Amin’izany indrindra no ilazana fa rehefa manana tanjona tsy tokony hanisy sakana fa ny tanjona no tratrarina. Ny hafa aza mahavita lavitra ary raha miezaka toy izany avokoa ny tanora Malagasy rehetra dia handroso ihany ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire