Betroka : Fa atao inona ny mason’ny varira ?
Tsy mbola foana eto amintsika ny halatra voamaso izay atao amin’ireny zaza varira ireny fa vao maika aza mahazo vahana izany. Zazavavy kely varira iray izao no hitan’ny olona tsy nisy maso intsony tao amin’ny fokontany Vohitsoa kaominina Benato Toby, distrikan’i Betroka.Nentina namonjy ny hopitaly tao Benato Toby avy hatrany izy ary natao ny fikarohana ny fianakaviany. « Tsy mifidy asiana intsony izao ny olona sasany fa rehefa ahitany vola dia ataony foana na misy ain’olona aza, voamaso avy ka hita ho amidy kanefa mba olombelona manana maso ihany ny tena » hoy i Landry, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Tokony ho 12 taona any ho any ity zazavavy hitanay ho tsy nisy maso ity intsony ka tsy maintsy nentina namonjy hôpitaly avy hatrany aloha hiarovana ny ainy » hoy i Vero, mponina any Vohitsoa. « Hatreto dia mbola tsy fantatra izay nahavanona izao loza mahatsiravina izao fa efa eo am-pelantananay kosa ny raharaha, tsy misy ho afa-maina izany rehefa manao ratsy satria tany misy fanjakana ny eto » hoy ny manam-pahefana any an-toerana.Mampalahelo tokoa ny zava-mitranga eto amintsika, noho ny fahantrana dia isika samy eto ihany no mifamono an-toerana tahaka ny valala an-karona. Mizotra mankaiza ny firenena ? Inona no tokony ho atao ?
Nicole Rafalimananjara
