ActualitésTatitra

Taïwan : Hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ilay mpanorina ny Foxconn

Nanao fanambarana ilay mpanefoefo Terry Gou fa hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2024 ny tenany. 72 taona io lehiben’ny Foxconn io amin’izao fotoana saingy efa an-taonany maro izy no naneho ny faniriany ho filoham-pirenena. Tsy maintsy mbola manangona sonia 290.000 nefa ny tenany vao afaka manatanteraka izany nofinofiny izany.

Nilaza i Terry Gou fa tsy hamela an’i Taïwan ho Ukraine manaraka, manoloana ny fanafihan’i Russie. Nanamafy ihany koa izy fa nitady ny fanohanan’ny Kuomintang (KMT) izay antoko mpanohitra lehibe ao amin’io firenena io. Nisafidy ny hanohana ilay lehiben’ny polisy teo aloha, Hou Yu-ih izay ben’ny tanànan’i New Taipei amin’izao fotoana nefa io antoko io.

Marihana ny ny orinasa Foxconn antsoina ihany koa hoe Hon Hai Precision Industry dia isan’ireo orinasa mpamokatra fitaovana elektronika lehibe indrindra eran-tany.

Laisser un commentaire