République Démocratique du Congo : Sivily tsy latsaky ny 26 no maty tamin’ny fanafihana
Olona tsy latsaky ny 26 no maty nandritra ny fanafihana izay niseho tao antsinanan’i République Démocratique du Congo araka ny tatitra navoakan’ny « Baromètre sécuritaire du Kivu » (KST) omaly. Mpikambana avy ao amin’ilay vondrona avy ao Ouganda no nanao ny fanafihana. Ny tatitra nivoaka taloha tao amin’ny Rwenzori izay navoakan’ny tompon’andraikitry ny faritany Beni, Donat Kibuana sy ireo mpiaro ny zon’olombelona ny alarobia 26 mai lasa teo anefa nilaza fa 13 ireo faty hita ary olona maro no nanjavona. “Faty roa hafa no hita tao amin’ilay tanàna kely mifanila amin’i Vuthotholya, Mabule-Kisima sy Mayele” ao amin’ny faritany Beni, araka ny tatitra nataon’ny Baromètre Sécuritaire du Kivu hatrany. “Faty 13 hafa kosa no nangonina ny alakamisy teo tao aorian’ny fisavana tany anaty ala” hoy ny fanambarana nataon’ireo loharanom-baovaon’ny mpiaro ny zon’olombelona. Notsindriany mafy tamin’izany koa fa mety mbola ambony noho ireo efa hita sy navoaka ireo anefa ny isan’ny maty.
