ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Hampiana sy tohanana mafy ireo atleta handray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy

Fandresena sady laharana voalohany no katsahina hoy ny Filoham-pirenena ho amin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 ity. Araka izany dia tohanana sy hampiana hatramin’ny farany ireo atleta handray anjara. Notoloran’ny fitondram-panajaka fampitaovana ilaina amin’ny fanazaran-tena sy fifaninanana rehetra ireo taranja ara-panatanjahantena miisa 4 ny 15 mey lasa teo. Tafiditra tao anatin’izany ny taranja atletisma, fibatana fonjamby, tenisy ambony latabatra ary ny badminton no nisitraka izany.

« Matoky anareo atleta izahay matoa manohana anareo. Ny tanjontsika di any hadrombaka ny fandresenaa ry ho laharana voalohany. Izay tsara fiomanana hatrany ihany no mibata fandresena. Niomana isika ary mbola hiomana bebe kokoa hatrany », hoy ny Filoham-pirenena.

Marihina fa fiaraha-miasa amin’ny firenena Sinoa no nahazoana ireto fitaovana ireto. Ny fihaonana teo amin’ny Federasiona nikaroham-bahaolana ihany koa no lakile nahatonga izao fampitaovana izao. Nilaza ihany koa ireo mpilalao fa afaka ny hanoman-tena arak any tokony ho izy tamin’ny fahazoana ireo fitaovana ireo. « Efa fotoana elaela no nanomanan-tena saingy tsy afaka mampitombo ny herijika noho ny faharatsian’ny fotodrafitr’asa. Ireto fitaovana ireto no vahaolana ka afaka ny hanampy anay amin’ny fampiakarana ny traikefa. Ambony araka izany ny tokin’ainay ato amin’ny taranja fototra atletisma », hoy ny solon-tenan’ny atletisma Rasoazanany Solange.

Hotanterahina eto Madagasikara afaka 3 volana mahery kely eo ity Lalaon’ny nosy ity ka efa natin’ny fanomanan-tena mafy avokoa ny mpilalao rehetra. Ireo mpiakarakara ihany koa dia efa miasa andro aman’alina hahatomombana ny hetsika. Hisy ny fivorian’ny CIJ ny 18 mey hatramin’ny 21 mey izao eto an-toerana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire