ActualitésTatitra

Mexique : Mitohy ny fanadihadiana momba ilay fifampitifirana tao Hidalgo

Fianakaviana iray no nikarakaraka lalao baolina kitra tao amin’ny valan-javaboahary iray tao Atotonilco de Tula, Hidalgo ny alin’ny 14 may teo. Nizotra tamin’ny an-tsakany sy an-davany lalao saingy tampoka teo dia raikitry ny fitifirana teo an-kianja. Manoloana izany dia olona enina izay nisy ankizy telo no namoy ny ainy. Maty teo noho eo kosa ny roa tamin’ireo raha tany amin’ny hopitaly vao lavo ireo efatra hafa.

Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia lehilahy mamo maromaro no nanomboka nitifitra tamin’io fianakaviana nilalao io ary nitsoaka izy ireo rehefa vitany ny asa ratsiny. Isany petra-kevitry ny manam-pahefana kosa ny valifaty (règlement de comptes). Toerana ahitana halatra sy fanondranana solika goavana mantsy i Hidalgo ary tsy vitsy ireo mifanehatra manoloana izany.

Mbola manohy ny fanadihadiana kosa ireo tompon’andraikitra misahana ny raharaha.

Laisser un commentaire