CultureTatitra

Japon : Katana, fitaovam-piadiana mariky ny firenena

Manondro ny sabatra Japonais matetika ny teny hoe Katana. Sabatra maherin’ny 60 santimetatra eo izy io izay marika hamantarana ny Samouraïs.  Fitaovam-piadiana azo ampiasaina eo amin’ny lafiny maranitra (arme de taille) sy ny  tendrony (arme d’estoc) ny Katana. Lanjaina amin’ny alalan’ny fehikibo ary manondro ny miankavian’izany fehikibo izany ny sisiny maranitra.

Misy ihany koa ny karazana fitaovam-piadiana mitovy amin’ny Katana antsoina hoe « wakizashi ». Ny fitambaran’ny « wakizashi-katana » kosa no atao hoe « daishō ». Fitaovam-piadiana tena lafo io sabatra io, ireo natao tanana tao Japon dia misy mahatratra hatramin’ny 6 tapitrisa Yen (180 tapitrisa Ar).

Laisser un commentaire