Iray volan’ny sary hoso-doko: Sary 30 mahery no haranty ao amin’ny Médiathèque municipale Sambava
Tsy diso anjara tamin’ny fanatanterahana ny hetsika « Iray volan’ny sary hoso-doko » ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina SAVA. Nanomboka omaly ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika natrehin’ny manampahefana sy olon-tsotra. « Miisa 3 ny mpanao sary hosodoka mandray anjara amin’ity fankalazana ity eto Sambava. Sary 30 mahery kosa no haranty sy amidy eto mandritra ny iray volana » hoy ny tompon’andraikitra. « Tokony ho tohanana sy jifaina ny asan’ny mpanankato. Isan’ny manampy betsaka azy ireo ny hetsika tahaka izao, eo ihany koa ny fitsidihana ataontsika mpankafy » hoy ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaian ao SAVA, Ndremitsiry Tsirinony.
Nanomboka ny 12 jolay ity hetsika ho an’ny hoso-doko ity, ary hifarana ny 12 aogositra.
Nicole Rafalimananjara
